Notanterahina ny zoma 26 Desambra 2025, tao amin’ny foiben’ny Aviation Civile de Madagascar – ACM Tsimbazaza, ary notronin’ny vahiny manan-kaja maro, ny lanonana famindram-pitantanana teo amin’ny Tale Jeneraly mpisolo toerana sy ny Tale Jeneraly vaovao RAKOTOARISOA Faniry Alban.
Nanambara ny fahavononany tanteraka hiara-hiasa amin’ny mpiara-miasa rehetra ihany koa izy, hikatsaka mandrakariva izay mahasoa ny sehatra ary hanome lanja ny fahazoana vokatra tsara.
Ao anatin’izany ny fomba fiasa anatin’ny mangarahara, ny fanomezana lanja ny fahaiza-manao tekinika efa misy ao anatin’ny sampandraharaha tsirairay…
Nandritra ny lanonana, nanome toromarika ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro – Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar, Ramatoa RAKOTOMALA Dina Hariniry, izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra RAHARISONE Juste Crescent, no sady filohan’ny Filankevi-pitantanana eo anivon’ny ACM, momba ny maha zava-dehibe ny fangaraharana sy ny fahitsiana amin’ny fanatanterahana ny asa, ho antoka amin’ny fampandehanana sy fampiroboroboana ny fitaterana an’habakabaka sivily, ny ny tombontsoan’ny firenena.