Notanterahin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) androany 05 janoary tao Tsimbazaza ny fiarahabàna sy ny firariantsoa ho an’ny Tale Jeneraly, Andriamatoa RAKOTOARISOA Faniry Alban, nahatratra ny taom-baovao.
Nandritra izany fotoana izany, nizara tamin’ireo mpiasa ny vina fohy ezaka izy.
Nambarany fa mifantoka amin’ny singa lehibe telo izany, dia ny fomba fiasa matihanina, ny fivondronana ho iray, ary ny fahavononana amin’ny fanatanterahana ny asa, izay mifototra amin’ny fitsipika sy ny lalàna mifehy ihany.
Notsindriany ihany koa fa hisy ny fanavaozana ara-pitantanana, ary hotanterahina ny ezaka rehetra ho amin’ny fitsitsiana sy fanenana ny vola mivoaka, ho fampandehanana mahomby ny asan’ny ACM.
Teo am-pamaranana ny lahateniny dia nanamafy ny fifampitokisana sy ny fiaraha-mientana ny Tale Jeneraly tamin’ny filazana hoe : « Ianareo no tokiko, izaho no tokinareo. »