Taux IATA février 2025

USD en Ariary :

4 752,316

Euro en Ariary :

4 969,473

USD en Euro :

1,046

Euro en USD :

0,956

Règlement au plus tard le

15 mars 2025

Fisorohana ny fidiran’ny aretina kolera eto Madagasikara

Fisorohana ny fidiran’ny aretina kolera eto Madagasikara

Nohamafisina ireo fepetra ara-pahasalamana amin’ireo seranam-piaramanidina manerana ny nosy. Tsy misy fiatoana fa mitohy avokoa, na ireo sidina anatiny, na ireo sidina mampitohy an’i Madagasikara amin’ireo firenena hafa. Nohamafisina kosa ireo fepetra noraisina ho fisorohana ny fidiran’ny aretina kolerà eto amin’ny firenena. Ankoatra ny fampiasàna ranom-panafody sy « gel hydroalcoolique » eo amin’ny fahatongavan’ny mpandeha, dia ho asiana ranom-panafody ihany koa ny « bagages en soute » sy ny « bagages à main ». Tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato nijery ny fampiharana ireo fepetra ireo omaly 5 Febroary ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka – Ministère De La Sécurité Publique Anosy, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka – Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministry ny Fizahantany sy ny Asa tanana – Ministère du Tourisme et de l’Artisanat – Madagascar, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro – Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar ary ny Minisitra Délégué misahana ny Zandarmaria, notronin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Anisan’izany ny Aviation Civile de Madagascar – ACM izay miandraikitra ny fandrindràna ankapobeny ny seranam-piaramanidina. Marihina fa ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no tomponandraikitra voalohany amin’ny fepetra ara-pahasalamana amin’ny ankapobeny. Mifandrimbona amin’ny fanatanterahana izany amin’ny antsakany sy andavany ny tomponandraikitra amin’ireo sehatra samihafa iantefàn’izany.
#fitateranaanhabakabaka #misoroka

Autres images